INDRAY MIJERY

Mitohy ny fiofanana FETP Frontline, hanamafisana ny traikefa ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny valanaretina. Eo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa. Ilaina ny paikady mirindra sy fanaraha-maso hentitra hanatsarana ny fitsaboana sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

Notanterahina tao Farafangana, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ireo Emad sy ireo lehiben’ny CSB 2 ao anatin’ny distrikan’i Vondrozo hisitraka ny tetikasa drone. Ny point focal eo anivon’ny DPLMT sy ny DPEV ary ny ekipan’ny tetikasa drone PSI Madagascar no miaraka manatanteraka ny fampiofanana. Hiasa avy hatrany ny drone hanatitra ireo vaksiny sy fanafody any amin’ireo CSB voakasika rehefa vita ny fampiofanana.

Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo atsinanana. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny. Tombanana ho 2,5 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Taolagnaro. Nanomboka omaly hatramin’ny anio eo, anelanelan’ny tanjona Angotsy sy i Soanierana Ivongo, hitohy hatramin’ny alina kosa izany any an-kafa ka misy fampitandremana nalefan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Ho fanatsarana sy fanomezana tontolo akademika manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, tonga any amin’ny Oniversiten’Analanjirofo ireo seza vaovao ho an’ny “salle de soutenance”. Fitaovana izay entina hanohanana ny fikarohana siantifika ataon’ny mpianatra sy ny mpampianatra.

Partager sur: