JJB-« Grand Open » : Hafana ny andiany fahatelo

Hotanterahina ny sabotsy 5 avrily izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny andiany faha-3 amin’ny fifaninanana “Grand Open de Mada”, taranja Jiu-Jitsu breziliana. Fifaninanam-pirenena voalohany, ho an’ny taona 2025 ity fifaninanana ity, izay misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny Nosy. Ny klioban’ny “Club 101 Jiu-Jitsu” no mikarakara ny fifaninanana, izay eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu brezilianina. Sokajy 3 no hifaninana, ahitana ny sokajy “Enfant”, “Adulte” ary “Master”. Hafana, araka izany, ity andiany faha-3 ity, izay hifanandrinan’ireo mpikatroka kalaza manerana ny Nosy. Hitiliana sahady izay mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipa hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena ho avy amin’ity taona ity, io “Grand Open de Mada” io.
Tsiahivina, nisy ny fifaninanana “Invictador Jiu-Jitsu Tournament”, izay natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Voafidy ho mpikatroka mendrika teo amin’ny “Kids”, i Aaron avy amin’ny Southside. Mpikatroka mendrika indrindra teo amin’ny vehivavy kosa, i Nofy avy amin’ny Checkmat ary i Andry avy amin’ny Checkmat kosa no mendrika indrindra teo amin’ny sokajy lehilahy. “Révélation” kosa i Aiky avy amin’ny Checkmat. Araka io vokatra io, klioba mendrika indrindra ny Checkmat, izay sady mpikarakara ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: