Minisitra Rasata Rafaravavitafika: “Omen’ny Frantsay lenta ny fihaonan’ny COI”

“Maromaro ny ao anatin’ny delegasiona fa omen-dry zareo Frantsay lenta sy ny maha zava-dehibe azy ny fi­haonana eto Antananarivo”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny LMA, Ampefiloha, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny Frankofonia. Ho avy eto Madagasikara ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ny 23 avrily ho avy izao. Aloha kelin’ ny fihaonana an-tampon’ireo firenena mpikamban’ny COI. Fitsidihana eo amin’ny lenta ambony indrindra eo amin’ny diplaomasia io. 20 taona lasa no nisy filoha frantsay farany tonga teto Madagasikara amin’ny maha fitsidiham-panjakana azy. Misy arofenitra manokana izany.
Zava-dehibe ny hahazoan’ i Madagasikara sy i Frantsa mijery todika ny fiaraha-miasa taloha sy ny eo am-periny ary ny mbola hataon’ny roa tonta. Samy mpikambana ao anatin’ny OIF, samy mampiasa ny teny frantsay. Anisan’ny ma­nan-tantara koa ny fi­fandra­isan’ny firenena roa tonta efa ela: anjato taona. Mandray anjara hatrany amin’ny velakevitra sy fandrosoana tetikasa eo anivon’ny Fikam­ba­nana iraisam-pirenena frankofonia (OIF) i Madagasikara. Manana tombony manokana isika, satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite frankofonina, misy tambajotra maro ahazoan’ny Malagasy mpandraharaha, ny vehivavy, ny tanora, sns mifandray. Ny fanabeazana no omena laka amin’ity taona ity. Ny fanabeazana no maha olona, ary tsy maintsy jerena akaiky izay maha olona izay. Ny olom-pirenena no mandroso, satria manana mponina nandranto fianarana ary misitraka ny fanabeazana amin’ny ambaratonga rehetra. Tsy maintsy misy ny ezaka amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: