Tsy maty tao ambavan’ny maro, omaly, ny fandresena, 4 no ho 1, azon’ny Barea nanoloana ny Les Fauves Centrafrique, afakomaly, tany Maroc. Araka io vokatra io, misy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpankafy baolina kitra maro teto an-drenivohitra, anisan’izany ny minisitry ny Tanora sy
ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson.
“Nahavelombolo tokoa ny nahita ny endri-dalao nasehon’ny Barea, afakomaly. Azo lazaina taorian’ireny fa azontsika atao tsara ny mandresy an’i Ghana, ary manantena ny tenako sy ny Malagasy rehetra fa hanao “Mondial 2026””, hoy ny minisitra MJS, omaly.
Nametraka toromarika tamin’ireo delegasionina sy mpilalao tany an-toerana ihany koa ny minisitra mba hifantoka tsara amin’ny lalaon’ny Barea ny rehetra any Maroc.
Hevitry ny maro
Ankoatra ity minisitra ity, naneho ny heviny ihany koa ny mpanazatran’ny Barea teo aloha (2012, 2013, 2015), Rajaonarisamba Franck:
“Tsara ny lalao nasehon’ny Barea tamin’ny akapobeny, nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa ny mpilalao rehetra teny ambony kianja. Mety ilay fahitana ny mpanazatra vaovao angamba no mahatonga izay? Hain’ny teknisianina ihany koa ny nandrafitra ireo 11 mijoro voalohany. Ambony ny fanantenana hanao Mondial raha mitohy ny tahaka ireny. Mbola mipetraka ho lesoka ny tsy fahampian’ny fiarahana amin’ny akapobeny, saingy hain’ny mpilalao ihany ny nandray ny toromarika nomen’ny mpanazatra.”
Nilaza ny fahitany ihany koa moa ny mpanazatra ny Net Foot, Rivomanantsoa:
“Raha ny hevitro manokana, azo lazaina fa efa tsara ny ezaka nataon’ny Barea. Porofon’izany, nahatanteraka valin’ady tamin’i Centrafrique ry zareo. Maro ny zavatra tsara, saingy misy ihany ny tokony ho arenina. Raha ara-teknika teny ambony kianja, hita ho velona sy mientana kokoa ny avy aty amin’ny faritra ankavanana, raha toa ka somary nangina tsy nahitana fanafihana firy ny tao ankavia. Mila hamafisina sy jerena tsara ihany koa ilay tolotra farany hataon’ny mpilalao, matetika mahazo fanafihana tsara ny Malagasy saingy eo amin’ny tolotra farany no very.”
“Nahay nanararaotra ny fahavoazan’ny Les Fauves Centrafrique kosa ny Barea”, hoy ilay Malagasy mpankafy Barea, Randriatiana Tsiferana. “Mahafa-po ny vokatra amin’ny ankapobeny. Hita hoe matihanina ny mpilalao, izay nametrahan’ny mpanazatra fahatokisana. Na izany aza, mila hamafisina hatrany ny fiarahan’ireo mpilalao vaovao vao nantsoina sy ireo efa tao hatramin’izay. Somary nahazo mpifanandrina malemy koa isika ka nahay nanararaotra satria aoka ho fantatsika fa nandalo fotoan-tsarotra ny baolina kitra tao Centrafrique teo aloha teo. Resaka mpanazatra moa no nampikorontana azy ireo. Nisy fiantraikany tamin’ny moralin’ny mpilalaony izany.”
Manantena moa ity mpankafy Barea ity fa hisy ny paikady mahomby apetraky ny mpanazatra hanatsarana ny ekipa malagasy hatrany hatrany.
Nampiaiky ny maro ny fahaizan’i Couturier sy Harisson
Samy nilaza sy niombon-kevitra tamin’ny fahaizan’i Couturier sy Jean Harisson, Malagasy mpilalao avokoa ireto nanaovana fanadihadiana ireto. Tsiahivina fa niavaka tamin’ny fahaizana mitazona baoliana sy mandrindra lalao teny ambony kianja i Couturier, raha toa ka nahavariana ny maro ny fifehezan’i Harisson ny toerana vodilaharana, tsy nisy tafavoaka teo aminy sy i Thomas Fontaine avokoa ireo fanafihana nezahin’ny Les Fauves Centrafrique natao. Tsiahivina fa tamin’ity vao nantsoina handrafitra ny Barea, i Jean Harisson, raha toa ka efa tao hatramin’izay i Couturier.