Olana amin’ny tany : Misedra olana ny mponina ao Nosy Be

Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina any Nosy Be manoloana ny olan’ny fananan-tany any an-toerana amin’izao fotoana izao. Manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony izy ireo.

Nambaran’ny sasany fa tsy mahazo rariny ireo manana olana ara-pitsarana momba ny ady tany. “Tena mitaraina izahay fa sahirana na misy aza ireo porofo maro samihafa anananay vahoaka. Manahy ny kolikoly avo lenta izahay”, hoy izy ireo.
Maromaro ireo raharaha ara-pitsarana momba ny olana amin’ny tany mandalo eo anivon’ny fitsarana any an-toerana. Nohamafisin’ireo manana olana amin’ny tany fa niharan’ny tsy fahazoana ny rariny hatrany izy ireo raha niakatra teny amin’ny fitsarana. Anisan’izany ny tompon’ny tany, i Charles, raha nilaza fa nandresy hatrany izy ireo tamin’ireo raharaha ara-pitsarana nifanolanany amin’ ireo mibodo ny taniny ao amin’ny fokontany Ambonara. “Nofoa­nan’ny fitsarana avokoa anefa ireo didim-pitsarana rehetra efa nivoaka tany aloha ka mahagaga anay”, hoy izy. Nanteriny fa misedra olana vokatry ny fanamparam-pahefana sy ny tsindrihazolena ary kolikoly ireo tompon’ny tany. Efa nandeha ny raharaham-pitsarana rehetra ary nivoaka mpandresy hatrany ilay tena tompon’ny tany. “Nampiakatra ny raharaha ilay mibodo tany saingy mbola nandresy hatrany ireo mpandova ny tany io, araka ny taratasy… Foana avokoa izany avy eo”, hoy izy. Nanteriny fa efa nanaraka akaiky izao raharaha izao ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Efa nanome ny taratasy fa tsy mitombina ny fibodoana tany natao amin’ireo mpandova ireo, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: