Romodromotra fahatany  

 

Trangam-piarahamonina tsy mbola voafehy, indrindra amin’ny resaka fahasalamam-bahoaka ny mahakasika ny aretina haromotana. Mahafaty ary tena mahazo vahana izany eto Madagasikara raha taraiky ny fitsaboana. Maromaro ny tranga tao anatin’ny telo volana niatombohan’ny taona. Mainka avo aza ny tahan’ny aretina, ny faramparan’ny taona 2024. Mila fitandremana.
Raha ny aretina voafaritry ny mpitsabo dia tsy misy ahina loatra anefa satria mbola azo atao ny fisorohana. Ilay haromotana be fahatany noho ny adim-piainana no tena mampanahy mafy.Tsy rony tsy ventiny dia raikitra ny fifamonoana an-kitsirano na mivantana io na ankolaka.Tena miala vonkona faran’izay mafy ny olona ka zara aza misy hanamparana ny hatezerana.Tsy tohinina sy kizintim-belona avokoa izay mifanena an-dalana. Aza mba mahavoahitsaka tongotra na mahavoadona olona an-dalana. Fa na fifanasana vangy sy ompa no mahazo, na mivadika ho fifampikasihan-tanana. Tsy vitan’izay, fa raha ny mpiray tanàna no miady, mivadika ho fifamosaviana ara-bakiteny. Ny zava-doza, misy amin’izao fotoana izao no mahasahy mandatsaka aina, amin’ny fanapoizinana mihitsy.
Manoloana ny toe-java-misy, mila mandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana. Raha zohina akaiky dia fikorontanan-tsaina faobe noho ny olana sosialy no mahatonga ny olona ho tsy namana sy mifampiandry kendry tohina. Tena sady mahantra no tsy ampy fialamboly, hany ka mivadi-belirano tsotra izao amin-javatra tsy misy dikany.

r.r.  

Partager sur: