Hotanterahina ny sabotsy 22 marsa, ao amin’ny Kianja Olympique Alassane Ouattara d’Ebimpé, ny lalaon’i Somalie sy i Guinée. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, sokajy “G”, taranja baolina kitra faritr’ Afrika. Fantatra fa Malagasy mirahalahy no hitsara ny fihaonan’izy ireo dia Rakotojaona Andofetra Avombitana sy Andriantinarivelo Dimbiniaina. Teratany avy any Lesotho kosa no hanampy azy ireo, amin’ity fihaonana ity.
Tsy vao izao akory ireto Malagasy mpitsara baolina kitra ireto, no voatendry hitantana lalao goavana toy izao fa efa matetika. Tsy ny fifanintsanana amin’ny “Mondial” ihany fa teo koa ny “Can” sy ireo fiadiana ny ho tompondaka sy amboaran’i Afrika ho an’ny klioba. Raha tsiahivina, laharana fahadimy ao amin’ity vondrona misy azy ity, ry zareo Gineanina. Manana isa 6 rehefa nahavita lalao efatra ka resy indroa ary nandresy indroa. Fahenina farany kosa i Somalie, tsy mbola manana isa fa resy hatrany tamin’ireo fihaonana efatra efa vitany.
Tompondaka