Araka ny fanadihadiana natao omaly, hisy fifaninanana goavana amin’ny taranja rugby indray handeha eny Ankatso, ny alahady ho avy izao. Ny fikambanan’ny tanora AJS Mada no mikarakara ity hetsika ity eny an-toerana. Raha ny fantatra dia lalao miisa fito eo no handeha amin’io fotoana io. Tsiahivina fa efa nisy ny fifanintsanana izay natao ny febroary lasa teo, teny an-toerana ihany.
Hotontosaina ny volana avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Real Madrid Espagne sy ny Arsenal FC Angleterre. Tsara ny mampahafantatra fa ny Real Madrid no tompondaka farany “LDC 2024”.
Mitohy hatrany ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Sokajy maromaro no hanomboka hifaninana ho amin’ity faran’ny herinandro ity, hahitana ny U10, U12, U14, U18, Vétérans, lahy sy vavy. Hatao amin’io ihany koa ny famaranana eo amin’ny U16 sy ny N1B lahy sy vavy.
Hanatanteraka fivoariambe harahina fifidianana ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja dihy ara-panatanjahanatena, amin’ny vola avrily ho avy izao. Eo am-pandaminana ny mahakasika izay ny federasionina sy ny komity mpikarakara ny fifidianana. Holazaina miandalana ny daty sy ny toerana ary ny kandidà hirotsaka amin’izany.