TSELATRA

Tsy tontosa ny hetsika fitakiana saika hataon’ny sendikan’ny paramed, tetsy amin’ny HJRA, omaly. Tsy navela niditra tao an-toerana ireo sendikan’ny Infirmier sy sage femme, raha nikasa hanao hetsika fitakiana manoloana ny olana sy ny tsy rariny mianjady amin’izy ireo. Tonga niambina sy nanakana ny hetsika saika hataon’izy ireo, teny an-toerana, ny mpitandro filaminana. Nampitomboina ireo mpiambina teo amin’ny vavahady ary hentitra ny fiambenana. Hihamafy ny tolona raha tsy mivaly ny fangatahana.
Lehilahy roa mpivarotra rongony voasambotry ny polisim-pirenena tany Antsirabe, afakomaly. Rongony milanja 8kg no tratra teny amin’izy roa lahy. Notanana hanaovana fanadihadiana any amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo mialoha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana.
Lehilahy iray, 16 taona, maty an-drano tao Amboditsiry, ny 18 marsa 2025 lasa teo tamin’ny 06 ora hariva. Tonga teny an-toerana nanao ny fikarohana ny Mpamonjy voina raha vao naharay ny antso. Naharitra 20 minitra teo ny fikarohana ny vatana mangatsiakany tao anaty rano. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina mba hialana amin’ny loza tahaka izao.
Naiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy voa­rohirohy ho nanararaotra ara-nofo ankizivavy 15 taona tany Ambondromamy, ny 8 marsa lasa teo. Toa­rian’ny fampiakarana azy ireo fampanoavana. Fantatra nandritra ny famotorana fa rainkelin’io zazavavy io ihany ireo voampanga nanolana azy ireo. Nisy nahita io tranga fanararaotana ara-nofo natao io ka nampilaza sy tonga nitoroka teny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena tany an-toerana, ny 10 marsa teo.

Partager sur: