Tsy maintsy hovitaina amin’ity taona 2025 ity ny arabe migodana ampahany voalohany, Antananarivo-Anjozorobe, mirefy 80 km. Mahatratra 24% ny fandrosoan’ny asa ankehitriny. Nankatoavina ny fampiasam-bolam-panjakana hanatanterahana ireo. Eo am-pamolavolana ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina amin’izao fotoana izao.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala (JIF) anio 21 marsa. Any amin’ny Valanjavaboahary Sisaony Ambatofotsy, distrika Atsimondrano no hankalazana izany ofisialy, iarahan’ny fanjakana sy ny mpisehatra tsy miankina amin’ny tontolo iainana. Lohahevitra ny hoe «Loharanon’aina sy loharanon-tsakafo ny ala».
Hatsangana eny Ivato ny Tanànan’ny taozavatra (Village artisanale). Efa misy ny famatsiam-bola hanatanterahana azy avy amin’ny fanjakana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Notsinjaraina 10 ny tokon’ny asa (lots) fananganana, ka samy mandroso tolotra ny orinasa hanao azy, haneho kalitao ambony.
Mahatratra 192 MW ny tanjaky ny herinaratra hovokarin’ny tetikasa Sahofika, izay avy amin’ny tohodrano. Efa hanomboka ny fametrahana ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny fanamboarana ny lalana miainga eo Antanifotsy (RN7) mankany Sahofika. Fotodrafitrasa goavana ity hatao ity, manampy ny tetikasa Volobe any Toamasina.