Paikady iray hifehezana ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fikarakarana manokana ireo vondron’olona marefo. Fampisitrahana ny fitaovam-piarovana samihafa sy ny fandraisana an-tanana ho an’ireo efa miaina miaraka amin’ny tsimokaretina.
Nanao fanairana ny fikambanana mpisehatra amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida noho ny tsy fisian’ny fitaovana sy kojakoja fiarovana sy fandraisana an-tanana ampiasaina amin’ny ady amin’ny VIH/Sida. Eo koa ny fisian’ny fanilikilihana mihatra amin’ny olona marefo, ahitana ny mpampanofa tena, ireo mpandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona, ireo manao firaisana ara-nofo amin’ny olona mitovy fananahana aminy ary ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Mitondra ny feon’ireo vondron’olona marefo manoloana ny VIH ireo fikambanana efatra. Antony ny nahitana tranga tsy fanajana zo amin’ny fisitrahana fitsaboana tsara kalitao, endrika fanilihana eny amin’ny tobim-pahasalamana, toeram-piasana ary anivon’ny fiarahamonina. Araka ny fanaraha-maso teny amin’ny CSB, site de rencontre, 19, 3% ny tahan’ny tsy fisian’ny fimailo tamin’ny CSB 166 nohadihadiana ary nahatratra 38,1% teny amin’ny site de rencontre. Ho an’ny fitaovam-panindromana kosa, 51,4% ny tahan’ny tsy fisian’izany teny amin’ny site de rencontre. Ho an’ny kojakoja ilaina amin’ny fitiliana ny VIH kosa, 10,2% ny tahan’ny tsy fisiany.
51,42% ny fitarainana voaray momba ny tranga fanilihana mahazo ny vondron’olona marefo voalaza etsy ambony.
« Vahaolana naroson’ny fikambanana efatra (ONG Réseau Mad’Aids, Ainga/Aides, Réseau des associations des femmes samaritaines, ONG Réseaux Madagascar Solidarité LGBT) ny fitakiana ny mangarahana amin’ny fitantanana ireo fitaovana fiarovana sy fandraisana an-tanana ny VIH. Eo koa ny fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo fitarainana miaraka amin’ny fampiharana lalàna miaro ny vondron’olona marefo », araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny Ainga/Aides, Dr Ravelohanta Mana¬na¬risoa, omaly, teny Ambatonakanga.
Vonjy