Barea de Madagascar : Lasa any El Hoceima, omaly, ny delegasiona

Araka ny vaovao voaray, omaly, tany Maroc, nandao an’i Casablanca omaly, ka nankany El Hoceima, ny delegasiona malagasy miaraka amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa any amin’ity toerana iray any Maroc ity ihany izy ireo no handray ny Black Star Ghana, ny alatsinainy ho avy izao. Marihina fa goavana ity lalao hifanandrinana amin’ny Ghana ity.

Hiankina amin’io tanteraka ny mety hahamora ny dian’ny Barea any amin’ny “Mondial 2026”. Tsara marihina fa raha mandresy eo ny ekipa nasionaly malagasy, izy ireo no mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I”. Manana isa 10 izao ny Malagasy ary mbola mitarika vonjimaika ao anatin’ity sokajy “I” ity, hatramin’ny omaly.
Raha ny filazan’ireo mpampita vaovao any an-toerana, omaly hariva ihany ireo Malagasy mpilalao dia efa nanao fanazarantena.
Ampahafantarina fa ireto avy ny firenena mifanintsana amin’ny Malagasy ao amin’ity vondrona iray ity : i Comores, Ghana, Mali, Centrafrique, Tchad. Resin’i Mali, 3 no ho 0, moa ny ekipa nasionalin’i Comores, afakomaly.

Fitia Randria

Partager sur: