Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana, sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, sy ny N1B lahy sy vavy, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Hafana ny dingana famaranana izay ahitana ireo ekipa sangany eto Antananarivo. Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, izay hifanandrinan’ny ekipan’ny ASSM sy ny Cosfa. Ekipa samy manana ny maha izy azy ary tsara hatrany ny vokatra azon’izy ireo nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatramin’izao famaranana izao. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, vehivavy, hiady ny amboara ny ekipan’ny Lucadro sy ny Fandrefiala. Hafana ihany koa ny lalao famaranana eo amin’ny sokajy N1B, ka hifanandrina eo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny JCBA sy ny ACA Basketball, amin’ny 12 ora atoandro. Ekipa samy sangany ary mbola baraingo izay hahazo ny fandresena. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hihaona amin’ity famaranana ity, ny ekipan’ny AKBB sy ny ASSM, amin’ny 2 ora tolakandro.
Mi.Raz