EJE andiany faha-13 : Tosika amin’ny fana­tanterahana tetikasa

Tanterahina eny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, mandritra ny roa andro, ny hetsika « Espace jeune entrepreneur » andiany faha-13. Hizara ireo paikady entina misehatra amin’ny fandraharahana ny EJE. « Zaraina mandritra izany ireo paikady mila hianarana sy hapetraka hampahomby sy hampaharitra ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanabea­zana ara-bola, ny fampiasana azy sy ireo fomba fampitomboana izany », hoy ny tomponandraikitry ny EJE, Fitahiana Harinomena. Tanjona, hoy izy, ny hanohanana ny tanora amin’ ny alalan’ny fampiofanana samihafa. Mazàna, sakana amin’ ny fandraharahana ny tsy fahampiana fahalalana, tsy fahampiana traikefa ary ny olana ara-bola. Noho izany, « mila jerena ireo soa fanararaotra ao anatin’ny tontolo amin’alalan’ireo fiofanana », hoy kosa ny filohan’ny Club entrepreneurs étudiants du Rendez-vous des entrepreneurs (CEERE) ho an’ny taona 2025-2027, Heritiana Manantsoa.
Marihina fa miantoka ny famoronana asa ho an’ny tanora ny fandraharahana manoloana ny fahasarotan’ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa misy amin’izao fotoana.

Henintsoa H.

Partager sur: