Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly, ireo solontenan’ny infirmier sy sage femme manerana ny Nosy izay tonga manao fifampiarahabana rahateo eto Antananarivo. Nihaino ny olana ary nitondra ny vahaolana ny fanjakana. “Voaray ireo fitarainana ary misy ireo vahaolana azo atolotra haingana, hojerena izay azo hatao”, hoy ny minisitra Randriamanantany Zely.
Anisan’ny fitarainana nisongadina ny resaka “rapprochement familial” izay handeha amin’ny herinandro ambony ny fandinihana izany, mba hifanakaiky ny mpivady miasa.
“Miroso anaty fandaminana ny minisitera amin’izao ary manatanteraka hatrany ny politika fijerena ny maha olona izay andry voalohan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ilaina ny fifampiresahana satria mavesatra ny asan’ny fahasalamana ka jerena izay afaka hanamaivanana izany”, hoy ny minisitra.
Tetsy andaniny, nilaza ny fahafaham-pony ny sendika rehefa avy nifampidinika tamin’ny minisitra. Mahavelombolo ny dinika ka manentana ireo mpiasan’ny fahasalamana infirmier sy sage femme hanohy tsara ny asany ny sendika.
Tatiana A