Manentana hatrany ny eo anivon’ny Ceni. Efa tonga eny anivon’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy nofaranana ny 28 febroary teo. “Entanina isika olom-pirenena rehetra hanamarina ny mombamomba antsika rehetra. Mbola manana 20 andro isika hanaovana izany. Aza hadinoina anefa ny karapanondro”, hoy ny Ceni.
Laharam-pahamehana ny fanamafisana ny andraikitry ny fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ny fanaraha-maso hentitra amin’ny raharaham-pitsarana ary koa ny mangaraharaha. Nampahatsiahivin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ireo raha nandray ireo mpitsara maromaro avy any atsimon’ny Nosy izy, afakomaly.
Hohatsaraina ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja. Eo koa ny fanavaozana ny lalàna mifehy azy ireo, araka ny dinika nifanaovan’ny sendikan’ny mpandraharaha ny fonja “Spapm”, notarihin-dRazafiberison Myridin sy ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fitsarana, Rabeariso Rochel, teny Faravohitra, afakomaly.
Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa anisan’ny itarainan’ny mponina ny depioten’ny boriborintany III, Ralambomanana Feno, omaly. Anisan’ny notsidihiny tamin’izany ny teny amin’ny fokontany Ambaranjana. Nampanantena ny tenany fa hitady vahaolana, tahaka ny efa nataony tamin’ireo fokontany hafa.