FCEM 2025 : Hifanolo-tanana ireo vehivavy mpitarika

Vita sonia omaly, teny An­taninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Vondron’ ny vehivavy malagasy mpandraharaha (GFEM) sy ny vondron’ny orinasa eto Madaga­sikara (GEM), ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) ary ny Economic Develop­ment Board of Madagascar (EDBM). Ny fandraisana ny
« Comité mondial des femmes chefs d’entreprises mondiales » (FCEM) eto Madagasikara no antony. Hetsika atao eny amin’ ny Novotel Alarobia, ny 28-30 avrily ho avy izao izy ity. Lo­hahevitra amin’ity taona ity ny hoe « Fihariana matanjaka sy mampiaty: vehivavy mpandraharaha mampifandray ny avaratra sy atsimo ». Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hametra­hana an’i Madagasikara ho firenena soa fanararaotra ara-toekarena. « Zava-dehibe ho an’ny vehivavy mpitarika ny fandraisana ny FCEM. Tan­jona ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ireo vehivavy mpandraharaha maneran-tany. Hasongadina manokana fa mavitrika ny sehatra tsy miankina malagasy ary hametraka an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika hatao », hoy ny filohan’ny GFEM, Razaka­boana Fanja.

Miray hina

Manohana ny foto-kevitra ijoroan’ny FCEM ny andrimpanjakana sy vondrona samihafa eto an-toerana. Manome lanja ihany koa ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena, raha ny fanazavan’ny filohan’ ny Gem, Rabarijohn Francis. Ankoatra izay, nilaza ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle, fa « 35% ireo orinasa (1 537 orinasa) niforona ny taona 2024 no tantanina vehivavy. Na izany, mbola mija­nona ho fanamby goavana ny fahazoana famatsiam-bola ».

Henintsoa H.

Partager sur: