Hamoaka tanora tompondaka amin’ny fahalalana ny tontolon’ny indostria malagasy ny fifaninanana « Rallye des industries». Hetsika hanandratana avo ny fahalalan’ny tanora ny vokatra malagasy sy ny fandraisany anjara amin’ ny fampandrosoana ny toekarena.
Hisokatra manomboka ny volana jona ny fisoratana anarana ho an’ ny fifaninanana « Rallye des industries », andiany voalohany, karakarain’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Fifaninanana natokana ho an’ireo mpianatry ny Oniversite tsy miankina miisa 10 eto Antananarivo. Tanjona ny hanandratana avo ny indostria malagasy sy hampahafantarana ireo vokatra eto an-toerana ary hampiroboroboana izany eny anivon’ny mpiray tanindrazana. Hisongadina ao anatin’ny fifaninanana ny anjara toeran’ny indostria malagasy amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Noho izany, tosika hampirisihana ny tanora hamelona ny fitiavana ny vokatra avy eto an-toerana sy hampifandray azy ireo mivantana amin’ireo mpikambana ny SIM izany.
Dingana
Hisy karazany efatra ny dingan’ny fifaninanana. Hibahana ny « Rallye cognitif » momba ny fahalalana ankapobeny momba ny indostria malagasy. Hanaovana tombana ny fitadidiana, ny fisainana ary ny fahafantarana ny lokanadin’ ny indostria eto an-toerana. Manaraka izany ny « Rallye pratique » hametrahana ireo fanambin’ny indostria. Andrasana amin’ireo mpifaninana ny hitondrany vahaolana manoloana ny zava-misy. Hifantoka amin’ny fampahafantarana akora fototra, ny vokatra azo ary ny fomba namolavolana izany kosa ny « Rallye sensoriel ». Raha toa ka hamolavola tetikasa miavaka sy ny fanatanterahana izany ary ny hametraka ny tataom-bidy ara-toekarena kosa ny dingan’ ny « Rallye créatif ».
Ahitana mpikambana miisa telo ny ekipa iray. « Ny mpikambana ao amin’ny Sim kosa no mpiahy ny ekipa tsirairay sy hizara amin’izy ireo ny fahalalana rehetra momba ny indostria sy torohevitra samihafa », hoy ny mpitantana ny Mercatis, Andriamijoro Mino. Notohizan’ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, fa paikady hampahafantarana eny ifotony fa tsara kalitao ny vokatra malagasy ny tanjon’ny fifaninanana. Ampisehoana ihany koa fa manaraka ny toetr’ andro sy avo lenta tanteraka ny fitaovana ampiasain’ireo indostria eto amintsika.
Henintsoa Hani