Filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama: “Ilaina ny fampanjakana ny tany tan-dalàna”

Navoaka omaly, tetsy Anosy, ireo mpianatra ho mpitsara, andiany Kanty. Ray miahy azy ireo ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny tamin’izany.

Nambarany tamin’ny lahateniny fa makadiry ny andraikitra miandry ireo tanora nahavita fiofanana ho mpitsara ara-bola. “Ilaina ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana mba hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka malagasy”, hoy izy. Niampy anatra sy torohevitra izany mba hoentin’ireto tanora vao nahavita fianarana ireto any amin’ny sehatrasa iasany avy. Mpitsara ara-bola rahateo ny filohan’ny Ceni, ka izao nifanakaiky amin’ireto mpianatra nivoaka ireto izao. Fa eo koa ny maha mpitsara azy.

Mpitsara ny ady madio sy ady heloka…

Samy notolorana mari-pankasitrahana avokoa izy rehetra ireo taorian’izao nahavitany ny fianarany tao amin’ny Sekolim-pirenena misahana ny mpitsara sy ny mpirakidraharaha “ENMG”, etsy Tsaralalàna izao. Ahitana mpianatra mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana “Filiere admnistrative” ireto andiany Kanty ireto. Eo koa ireo mpitsara ara-bola “Filiere financière” ary ireo ho mpitsara misahana ny ady madio sy ny amin’ny ady heloka “Filiere judiciaire”.
Niarahaba sy nirary soa azy ireo hahaleo hahalasana ary nitsodrano azy ireo ny filohan’ny Ceni sady mpiahy ny andiany Kanty tamin’izao lanonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy izao.

Synèse R.

Partager sur: