INDRAY MIJERY

Ho an’ny mpandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona, manana zo hisitraka tolotra fahasalamana toy ny olona rehetra izy ireo. Manambara ny lalàna momba ny ady amin’ny VIH fa andraikitry ny fanjakana ny manome fitaovana fiarovana ho an’ny marefo manoloana ny VIH, toy ny fimailo sy ny fitaovam-panindromana madio tsy hiparitahan’ny tsimokaretina.

Nisy ny fiofanana niarahana amin’ny Vovonan’ny firaisamonimpirenena Rohy sy ny mpisehatra efatra miady amin’ny tsimokaretina VIH/ Sida, tamin’ity herinandro ity. Nohamafisina ny fanaovana haitaky satria goavana ny fanamby miandry ny mpisehatra amin’ny fampisitrahana zo ho an’ny vondron’olona marefo, fanabeazana ny fiarahamonina.

Tsara ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ambanin’ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ambany amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Miandry oram-pahavaratra ny afovoan-tany sy ny tapany avaratr’i Madagasikara ato anatin’ny roa andro manaraka.

Tonga any Mampikony ny minisitry ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa tamin’ity herinandro ity. Avy hatrany dia nitsidika ny LTP Mampikony izy sy ireo delegasionina niaraka taminy ary nifampizara tamin’ireo tomponandraikitra sy mpampiofana ao amin ny Lycée teknika.

Partager sur: