“Natao ho an’ny Malagasy rehetra ity fankalazana ity, ka andraikitsika tsirairay ny manome lanja sy mitondra anjara biriky amin’ny fanatanterahana azy. Tsy hohadinoina ireo nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, fotoana nanombohana ny hetsika fankalazana ny faha-78 taon’ny 29 marsa 1947. Nisy ny tranoheva nampirantiana an-tsary ny tantaram-pirenena, ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mpitolona mbola velona sy ny zokiolona mihoatra ny 50 taona, ny seho nataon’ny taninketsa… Manohy hatrany ny adidiny amin’ireo mpitolona mbola velona ny fitondram-panjakana. Ao anatin’izany ny fanomezana fisotroan-dronono, ny fiantohana ny fitsaboana sy fikarakarana fahasalamana…
Fampahatsiaro sy fampitana amin’ny tanora ankehitriny ny hasin’ny tolona nataon’ny raiamandreny teo aloha ny lohahevitry ny hetsika: “Tolom-panafahana, fanilo miampita ho an’ny taranaka”. Zava-dehibe ny fitohizan’ny tantara sy ny fanehoana fitiavan-tanindrazana. Ho fanomezam-boninahitra ireo maherifo namoy ny ainy ho an’ny Fahaleovantenam-pirenena izany. Fotoana manokana hanehoana firaisankina sy hanomezan-danja ny tantara ny hetsika. Tsy maintsy maneho fitiavan-tanindrazana sy mitana ny soatoavina malagasy ny taranaka ankehitriny. Izay no ho fanoitra amin’ny fanorenana firenena mandroso. Tsy tokony hohadinoina koa ny tolom-panafahana, hitondra ainga ho amin’ny fivoarana sy fampandrosoana ankehitriny. Tsy Antananarivo ihany no nanombohana ny hetsika, fa niara-niainga tamin’izany ny any Moramanga, Manakara…
R. Nd.