Noho ny hanoanana : Mpianatra telo lahy tratra nangalatra mangahazo

Mpianatra telo lahy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray any Mandritsara an-tampon-tanàna tratra nangalatra mangahazo 30 fototra tao Maroamboka, omaly tamin`ny 2 ora maraina. Ny hanoanana nisy teo amin’izy ireo sy mba hananana vatsy hiatrehana fianarana no antony nahatonga azy ireo nanao izao asa ratsy izao, raha ny fanazavana voaray. Andrimasom-pokonolona tao amin’ny fokontany Maroamboka no nahatratra azy ireo nangalatra tany Andilambola, kaominina am­banivohitra Antsôha. Niroso tamin’ny fisamborana izy ireo. Voasambotra, tamin’izany, ny roa lahy, raha toa ka tafaporitsaka ny iray hafa. Amin’ny maha mpianatra azy ireo, natao ny raharaham-pihavanana sy ny fandoavana ny dinabe. Vokany, manefa 10 000 Ariary ho an’ireo mpanao andrimasom-pokonolona tsirairay avy izy telo lahy ireo. Mba hanohanana azy ireo amin’ny fitandroana ny fahalemana, izay manodidina ny 400.000 ariary ny fitambaran’ny vola. Ankoatra izay, mandoha 80 000 Ar isan’olona ho an’ny tompom-bokatra avy izy ireo. Manoloana izany, nisy vehivavy tsara sitrapo avy any Mandritsara nanolo-tena nandoa ny vola mitentina 240 000 Ariary. Nofoanana ny fandoavan’izy telo lahy ny vola 80 000 Ariary ho an’ny tompom-bokatra. Ankoatra izay, mbola notolorana vary 10 kapoaka avy ihany koa izy ireo. Tsy maintsy mandoha ny vola ho an’ny andri-masom-pokonolona kosa izy ireo.

*
Mino

Partager sur: