Rugby – XXL Top 12 : Hiady izay ho mpanjakan’ny kartie ny FTM sy ny TFMA

Hafana vay ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Adin’ny samy kartie sy fifanandrinan’ny samy boaty no hitranga. Anisan’izany ny an’ny TFMA Ankasina sy ny FTM Manjakaray.

Hifantoka etsy amin’ny Kianja Makis Andohat­a­penaka avokoa ny sain’ ny mpitia rugby, rahampitso. Hotanterahina eo mantsy ny manasa-dalana roa hiadiana izay ho tompondakan’i Mada­ga­sikara “XXL Top 12”. Ekipa efatra samy andrarezina avokoa no hiady izay ho lohany amin’ity.
Adin’ny samy kartie ny an’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Eto no hahalalana izay tena ho mpanjakan’ny kartie amin’izy ireo. Raha ny fihaonana farany, nivoaka ho mpan­dresy ny Manjakaray ka eto izany ny velan’Ankasina. Fileo­vana samy manana ny fahaizany ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, manatombo amin’ny traikefa sy fahaza­rana lalao goavana ny FTM. Tombony ho azy ireo ny fahazarana miaraka eo amin’ireo mpilalao.
Etsy ankilany, manana ireo boaikely manohitra ary mifono vy ry zareo Ankasina. Matanjaka ary manana teknika. Hifampitana tanteraka izany ireto kartie ireto.
Fifandonan’ny samy boaty kosa indray ny an’ny Uscar (kaominina) sy ny Cosfa (Be­baoty). Tsy vao izao akory izy ireto no nifanandrina fa efa matetika. Raha tato anatin’ny fihaonana dimy nikatrohan’izy ireto, tsy mbola nandresy ny Bebaoty, ny Uscar.
Samy mitandrina na ny Uscar na ny Cosfa, amin’ity lalao ity. Ho resy mantsy izay diso fitetika. Mitovitovy fomba filalao rahateo izy ireto. Samy milalao ao anaty “avant” saingy ny Cosfa mailaka ao anaty “trois quart”. Mihevitra ny mpa­naraka rugby fa ho tonga ha­trany amin’ny fanalavam-po­toana ity adin’ny samy boaty ity.
Hiady tanteraka ny baolina saingy irarian’ny rehetra mba ho mpitsara efa manana ny fahaiza-manao sy ampy traikefa no hitantana ny lalao.

Tompondaka

Partager sur: