SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 29 avrily hatramin’ny 4 mai ho avy izao, any Casablanca Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taranja tolona, sokajy zandriny. Maniry ny handefa solontena sivy amin’ity fifanintsanana ity ny Federasionina malagasin’ny tolona. Mitohy hatrany ny fanomanana ataon’izy ireo eny Am­pefiloha isaky ny sabotsy.

Lany ho filohan’ny CIO (Comité olympique internationale), i Kirsty Coventry, teratany zimbaboanina, nandritra ny fifidianana natao tany Costa Navarino tany Grèce, ny 20 marsa lasa teo. Vehivavy voalohany hitantana ny CIO izy ary afrikanina voalohany tonga eo amin’ io toerana io ihany koa.

Hanomboka anio sabotsy 22 marsa sy rahampitso, ny fifaninanana rezionaly, fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Nanatan­teraka fivoriambe izy ireo, omaly ary hivoaka tsy ho ela ny fandaharam-potoana feno ho an’ity taona 2025 ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, i Christiano Ronaldo no mpilalao portiogey voalohany nilalao tao anaty ekipam-pirenena nandritra ny 22 taona nifanesy. Tsiahivina fa nifandona tamin’ny ekipa nasionalin’i Danemark i Portugal, afakomaly, ary resin’ny Danoa
1 no ho 0.

Partager sur: