Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fanamarinana ny fenitra malagasy momba ny kalitaon’ny rivotra. Miatrika ny haavon’ny loto mampanahy i Madagasikara satria mahatratra 22ug/m3 ny fifantohan’ ny poti-javatra madinika (PM2.5) izay miohatra alavitra noho ny fenitra eken’ny OMS (15ug/m3).
Manoloana izany, nanomboka nanangana ny fenitra nasionaly ny fanjakana malagasy hamaritana ny fepetra momba ny kalitaon’ny rivotra sy hanamafisana ny fandrindrana ny hetsika hiadiana amin’ny loto.
« Apetraka ny fenitra izay miainga amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Misy karazana singa maro ahafantarana fa maloto ny rivotra, faritana ny fetra azo ekena mba hilazana fa manara-penitra ny rivotra azo iainana », hoy ny tale jeneralin’ny Biraom-pirenena momba ny fenitra eto Madagasikara, Séraphin Razafimahafaly.
« Raha ny salanisa tany amin’ny taona 2016, nahatratra 31,3% ny taham-pahafatesana teto Madagasikara vokatry ny fahalotoan’ny rivotra », hoy ny tale jeneralin’ny Fandrosoana lovainjafy, Rabenandrianina Rivosoa. Firenena mitana ny laharana fahefatra i Madagasikara amin’ izany fahalotoan’ny rivotra izany.
Anisan’ny tena lasibatra
ny olona marefo toy ny zaza sy ny zokiolona. Ankoatra ny tsy fahafahan’ny zaza mitombo ara-dalaàna dia mety hitarika amin’ny homamiadana mihitsy ny fahalotoan’ny rivotra. Ho an’ny zokiolona dia ny fahatapahan’ny lalandra no voka-dratsin’izany.
Tatiana A