TSELATRA

Jiolahy iray mpamaky trano saron’ny polisy avy ao Ilanivato ny 19 marsa lasa teo. Voasambotra tetsy Andavamamba noho ny resaka vaky trano izy io. Efa fomba fanaony ny manao izany ary lasibatra amin’ny asa ratsiny ny eny amin’ny manodidina an’Andavamamba Anjezika. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika ataon’ny polisy izao.
Nirefodrefotra ny basy tao Ambodifamotsotra, kaominina Andilamena, nandritra ny fanenjehana sy fisamborana jiolahy. Maty voatifitry ny zandarimaria nandritra izany ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Joe. Dahalo mpandrava fananan’olona an-keriny, mpampihorohoro sady mpangalatra omby izy io. Vao avy nigadra dimy taona tany am-ponja izy ary izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray.
Niakatra fampanoavana omaly ny andian-jiolahy mpikambana tao amin’ny Clan The One. Tsy ampy taona avokoa ny enina amin’izy ireo, vehivavy ny iray hafa. Andian-jatovo mpisetrasetra sy mpanenjika olona amin’ny antsibe any amin’iny faritra Ambalamanasy sy Barikadimy iny izy ireo. Marihina fa voasambotry ny polisim-pirenena Toamasina izy ireo, afakomaly.
Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay vehivavy miasa an-trano ao amin’ny Banky iray any Toamasina, voatondro ho anisan’ny mpanome vaovao ireo olon-dratsy mpanafika olona maka vola eny amin’ny banky. Matetika ahitana trangana fanafihana olona maka vola ao amin’io banky io. Efa miatrika fanadihadiana any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana moa izy ankehitriny.

Partager sur: