Mitentina 5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny AFD an’i Madagasikara hanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Kendrena ao anatin’izany ny hanamafisana ny fahamarinan-toerana ara-toekarena ao amin’ny firenena sy hanohanana ireo sehatra manan-danja ary hamahana ny olan’ny sosialy sy toekarena.
Miisa 339 ireo mpandeha nigadona tao amin’ ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be, ny alarobia teo, taorian’ny fiverenan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Neos. Mampifandray ny Nosy lavanila sy Eoropa ny kaompania ao anatin’ny fifandraisana stratejika ataony. Hanao sidina indroa isan-kerinandro mihazo an’i Rome sy Milan ny kaompania.
Hatsaraina ny fanondranan’i Madagasikara Cacao any ivelany. Nifanakalo hevitra tamin’ireo tomponandraikitry ny fadintseranana sy ny solontenan’ny mpanondrana ny minisitra Ralambofiringa David nandritra ny fivoriana nataony tany Nosy Be. Ilaina, hoy izy, ny fanarahana ny fepetra sy ny lalàna mifehy ny fanondranam-bokatra.
Hotanterahina ny 10 ka hatramin’ny 12 avrily, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny Tsenaben’ny fizahantany andiany faha-9. Hetsika hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany anatiny ho fampandrosoana ny toekarena izany. Hampahafantatra ireo tolotra omeny mandritra ny telo andro hanaovana izany ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolo.