Nifarana ny herinandro teo, ny iraka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nihaona amin’ireo tomponandraiki-panjakana izy ireo ka anisan’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany.
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena, ny herinandro teo. Nitarika izany ny talen’ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa, misahana an’i Afrika Atsinanana, Wendy Hughes. Voaresaky ny andaniny sy ny ankilany ny firosoana amin’ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa ho fampandrosoana ny tanàn-dehibe ho an’Antananarivo sy ny manodidina (Produir II). Nambaran’ny minisitra fa tena zava-dehibe ho amin’ny fampandrosoana ny fanohanana ireo tanàna sy kaominina manodidina ny Renivohitra ireo mba hisian’ny fitoviana sy lanja eo amin’ny samy tanàn-dehibe. “Anisan’ny hampiroborobo ny fanajariana ny tany sy ny tanàna mba haharitra sy ho an’ny rehetra ny finiavan’ny eo anivon’ny minisitera amin’izany. Iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo misehatra amin’ny fampandrosoana”, hoy izy.
Fitantanana ny fananantany an-tanàn-dehibe
Tsiahivina fa efa nandalo teto amintsika koa ny febroary teo, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, i Catalina Marulanda, ary nihaona tamin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina.
Nijery ifotony ny fampiharana ny tetikasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe izy ireo tamin’izany. Eo koa ny tombana amin’ny fahavitan’ny dingana faharoa amin’izany tetikasa izany sy ny fitantanana ny fako ho an’Antananarivo sy ny manodidina “Grand Antananarivo”. Voaresaka koa ny fanohanana ny fitantanana ny fananantany an-tanàn-dehibe sy ny fitantanana ny loza voajanahary. Efa miroso ho amin’ny fankatoavana ny fanohanana ireo tanàn-dehibe sokajy faharoa koa ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ka iarahana miasa amin’ireo minisitera samihafa sy ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana izany.
Synèse R.