FANTINA sy FINTINA

Niezaka nampitovy tadin-dokanga noho ny disadisa ny vovonana Firaisankina, notronin’ireo depioten’izy ireo avy, tetsy Faravohitra, ny zoma teo. “Ilaina arindra aloha ny ato amintsika. Hapetraka ny hambo-po fa mila mijoro isika manoloana izao mahazo ny vahoaka sy ny firenena izao. Ilaina ny fananana fijery mitovy”, hoy Ravalomanana Marc.

Efa any Québec – Canada ny filohan’ny FLM, ny Dr Rakotozafy Denis. Hanolotra ny Pastora Randrianirina Mino mianankavy, mpitondra ny fitandremana Quebec izy. Hanokanana ny fitandremana FLM Trois rivières sy ny fiangonana Drummondville ary ny katekista ny 29 mars. Hitohy any Montréal koa izany ka hanokanana ny fileovana any izy.

Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny faha-35 taon’ny Fahaleovantenan’i Namibia ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Ri­chard, ny zoma teo. Niatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao any an-toerana, Netumbo Nandi-Ndaitwah koa ny tenany tamin’izany.

Tsy mankasitraka ny fanerena ankolaka ireo olom-boafidy eny ifotony hivondrona anaty fikambanana ny avy amin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa mamotika tanteraka ny foto-kevi-dehibe ijoroan’ny fitsinjaram-pahefana izany. “Aleo hanana safidiny malalaka izy ireo fa tsy azo atao an-tery tahaka izany”, hoy izy.

Partager sur: