Fefiloha vaky tetsy Ambohijanaka: Zaza mianadahy maty lasan’ny rano

Olona telo mianaka lasan’ny rano vokatry ny fefiloha vaky tany Ambohijanaka, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy raha toa ka avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana.

Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy : 10 sy 6 taona, lasan’ny rano tetsy Ambohijanaka, ny sabotsy alina teo. Lasan’ny rano teny Ambohijanaka vokatry ny fahavakisan’ny fefiloha fitahirizan-drano ao Sandrandrano, mifanandrify amin’ny Sta­tionnement ao Mahaimandry, fokontany Ankadivola, kaominina Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina tamin’ny 9 ora alina izy ireo. Andeha hamonjy fodiana niaraka tamin’ny rainy izy mianadahy ireo tamin’io fotoana io. Nofaohan’ny rano anefa izy ireo noho aherin’ny riaka ka lasan’ny rano. Nanavotra azy ireo ny fokonolona sy ny tomponandraikitra teny an-toerana, ary avotra soa aman-tsara io andro io ihany ilay raim-pianakaviana. Raha toa ka tsy hita popoka kosa ny nisy an’izy mianadahy kely. Naratra mafy vokatry ny ratra nahazo moa ilay raim-pianakaviana ka nentina notsaboina teny anivon’ny CSB Ambihijanaka. Nitohy hatrany ny fikarohana azy ireo, hita tsy lavitra ny fefiloha vaky ny vata-mangatsiakan’ilay vavikely, omaly maraina. Raha toa ka tany amin’ny 1,5 km ny fefiloha vaky kosa vao hita ny vata-mangatsiakan’ilay ankizy lahikely. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tonga teny an-toerana namangy ny fianakaviana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny taorian’izay. Anisan’izany, ny solombavahoaka voafidy teny an-toerana, ny sefo ditrikan’Antsimondrano, ny ben’ny Tanàna ary ny mpitandro filaminana. Hihazo any Voasary Vohipeno, kaominina Ivato anio alatsinainy atoandro ny razana, ametrahana azy any amin’ny fasan-drazany.

Fampitandremana miloko mena
Raha ny vaovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, dibo-drano avokoa ny lalana sy ny arabe, ny ankamaroan’ny trano ary ny toerana rehetra eny an-toerana. Hatreny an-dohalika ny rano, nanomboka ny sabotsy alina teo ka hatramin’ny omaly. Maro noho izany ny traboina eny an-toerana izay efa raisin’ny kaominina an-tanana. Noho izany zava-misy izany, miato ny fianarana ho an’ny Cisco Antsimondrano, ao anatin’ny Dren Analamanga anio. Anisan’izany, ny any Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bon­gatsara, Antanetikely Ambo­hijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Am­pa­nefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Am­bavahaditokana , Fenoarivo ary Itaosy. Tanjona ny hiarovana ny ankizy amin’ireo loza mety hitranga vokatry ny fiakaran’ny rano.

Mino

 

Partager sur: