Notontosaina teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, omaly, ny fankaherezana sy fanohanana ireo fianakaviana mpialokaloka ara-pinoana. Fianakaviana 500 izy ireo izay avy amin’ny firenena maro samihafa. Misy avy any Pakistan, Afghanistan, Mali, Togo… Ny ONG Humanity First avy any Alemana miara-miasa amin’ny Miozolomanina Ahmadiyya eto Madagasikara no tompon-kevitra amin’ny fiahiana ireto teratany vahiny mialokaloka ara-pinoana eto amintsika ireto. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mujeeb fa hoe avy amina firenena 18 izy ireo. Ny sasany monina eto Antananarivo raha any amin’ny faritra kosa ny hafa. Efa ho iray volana izy ireo no tonga nialokaloka eto Madagasikara. Nanamafy izany rahateo koa ny misionera Moussah Basile fa manampy ireo mpialokaloka ara-pinoana ireo ny miozolomanina Ahmadiyya miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. « Amin’ny ankatoky ny famaranana ny ramadan toy izao no manampy ireo namanay izahay », hoy izy. Voalaza fa tratran’ny fanenjehana noho ny finoana sy ny fivavahana izy ireo ka antony nahatonga azy ireo nialokaloka eto Madagasikara mandra-pilamin’ny toe-draharaha any amin’ny firenena misy azy ireo. Nilaza ny solontenan’ireo mpialokaloka, Ghulam Murtaza, fa ara-dalàna ny taratasy nahatongavan’izy ireo eto Madagasikara. Misy amin’izy ireo no tsy miasa fa mbola tohanan’ny fianakaviany sy ny fikambanana toy izao. Marihina moa fa eny monina eny Andoharanofotsy ny ankamaroan’izy ireo.
Jean Claude