Imerintsiatosika : Mpanera hita nisy namono

Mpanera tany sy trano iray hita faty tao amin’ny tanànan’i Tsiazokararo, fokontany Avarabary, kaominina Imeritsiatosika, ny marain’ny sabotsy 22 marsa teo. Tsikaritry ny mpandalo iray ny fisiana olona nitsirara tao anaty tsenakely amoron-dalana. Nojereny, olona efa mpivezivezy eny amin’ny fokontany ary tsy vaovao amin’ny manodidina izany. Tsy nisy aina intsony anefa io olona io. Naratra ny tendany. Nianjaka ny tapany ambany. Hita teo akaikiny ny sakaosiny. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny manam-pahefana miasa ao an-toerana ny fokonolona. Nahitana taratasy sy sakaosy teny aminy. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity raim-pianakaviana ity saingy ahin’ireo nanatri-maso ho vono olona izany. Marihina fa mpivezivezy eo amin’io fokontany io rahateo io olona hita faty io. Nigadona teny an-toerana naka ny vatana mangatsikan’io rangahy io fianakiaviany.

Tsiferana R.

Partager sur: