INDRAY MIJERY

Hahazo vahana amin’ny ankapobeny ny volonandro fahavaratra. Tombanana hahazo vahana miserana kosa anefa ny varatraza, ny zoma ho avy izao. Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ato anatin’ny dimy andro ho avy. Andrasana kosa ny orana tandrifin-drahona any an-toerana, ny faran’ny herinandro. Tombanana hitoetra hatrany ny orana tandrifin-drahona harahin-kotroka indraindray any amin’ny faritra sisa. Vinavinaina ho maina ny andro ho an’ny afovoan-tany ny zoma ho avy izao. Hisy fidinana antonony ny maripana ambony ho an’ny afovoan-tany ato anatin’ny roa andro ho avy. Manodidina ny 15- 27°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24 – 38°C ny tolakandro.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika “Fijery Hafa” tao amin’ny Avenue Philibert Tsiranana, Antsohihy, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro lasa teo. Notsipihany fa ilaina ny fanohanana sy ny fampivoarana ny talentan’ny vahoaka, izay afaka manampy amin’ny fanaovana asa velontena sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana, ary manana anjara lehibe amin’izany ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nahatratra 5279 ireo nisoratra anarana tamin’ity hetsika ity. Porofo fa liana amin’ny fiofanana sy famoronana asa ny tanora.
Tontosa ny fivoriana faharoan’ny kaomity mpitarika ny “Projet d’Appui à la gestion participative et décentralisée de l’école” Tafita Phase III – Jica, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanatrika ny fivoriambe antsasa-dalana sy nanolotra tolo-kevitra ho an’ireo mpikambana FEFFI ny delegasiona. Notarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny solontena miasa sady monina eto Madagasikara misahana ny Jica izany, teny amin’ny EPP Andranovelona Antananarivo Avaradrano. Nisy ny fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ny ora fanarenana kajy sy famakian-teny ho fampiakarana ny lentam-pahaizan’ny mpianatra.

Partager sur: