Tonga hatrany am-piangonana ny asan- jiolahy any Toamasina, amin’izao fotoana izao. Fiara tsy mataho-dalana ana kristianina nivavaka tao amin’ny fiangonana Betela Tanambao fahadimy nalain’ny olon-dratsy, omaly maraina. Araka ny angom-baovao, namonjy fotoam- bavaka maraina toy ny mahazatra, niditra tamin’ny 6 ora ny tompon’ny fiara. Napetrany tao ivelany io fiarany io.
Hatairana ny an’ilay rangahy tompony rehefa nirava ny fiangonana satria tsy nahita ny fiarany intsony tao amin’ny toerana nanajanonany azy. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ny firavan’ny fivavahana natrehany tamin’io fotoana io. Niala nenina nijery sy nihodikodina nijery tamin’ny toerana manodidina izy saingy tsy hita mihitsy ny fiara.
Samy talanjona ny mpiara-mivavaka amin’ilay lasibatra. Tandremo fa efa tonga hatrany am-piangonana ny asan-jiolahy, ankehitriny. Nohamafisin’ny loharanom-baovao fa tsy vao sambany izao fa efa mateti-pitranga. Miditra hatrany anaty fiangonana mihitsy aza ireo mpanao ratsy. Anisan’izany, ilay renim-pianakaviana very poketra volana vitsy lasa izay.
Sajo