Ny fiainam-bahoaka aloha…

 

Aiza ho aiza izay fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’izao? Hoe tsy misy hadino… Lalina sy maharitra ary mahahenika ny rehetra ny fahantrana. Manampy trotraka ny fahasahiranana noho ny anton-javatra samihafa hoe tsy azo ihodivirana: fidanganan’ny vidim-piainana noho ny hoe krizy maneran-tany. Maneran-tany ary tsy mahafa-bela koa ny fiovaovan’ny toetr’andro: raha tsy faran’izay maina, faran’izay avy orana. Tsy araka izay andrasana sy ilana azy intsony ny ranonorana: iri-mahory fa mampanano sarotra ny famokarana. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa…
Anisan’ny andrin’ny fampandrosoana amin’izao ny maha olona. Mby aiza? Tsy lavina, manao ezaka amin’ny fampandrosoana ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Mitondra inona eo amin’ny fiainam-bahoaka? Na mba mahatsapa sy miaina fihatsaram-piainana ny eny ifotony… Arakaraka ny ezaka sy ny asa atao izay. Mila fijery vaovao sy lavitra koa. Tsy inona izay hoe asa raha tsy mitondra fihatsaram-piainana sy fandrosoana amin’ny maha olona. Saika mbola fitanana fahavelomana ny ankamaroany. Rehefa tsy maty dia izay? Na eo aza ny fanampiana, ny asa ihany no mahavelona sy mampandroso.
Aiza ho aiza ny famoronana asa? Na ny fampiroboroboana ny famokarana aza… Ekena, tena misy ny ezaky ny fitondram-panjakana. Tsy mbola mipaka hatrany ifotony? Ny eny ifotony, vonona amin’izay fampandrosoana izay ve? Tsy vitan’ny tolo-tanana sy fanampiana lava… Mifankahazo ny amin’izany ve ny vahoaka sy mpitondra? Tsy misy tsy mikaikaika amin’izao fa ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka. Mifanaraka amin’izany koa ve izay ataon’ny fitondram-panjakana? Na izay no tena hisian’ny fahamarinan-toerana politika azo antoka sy maharitra… Ny fiainam-bahoaka aloha amin’izay lafiny izay.

R. Nd.

Partager sur: