Rabary Paul : “Tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”

“Hatramin’izao aloha, tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, ny amin’ny toerana misy ny mpanohitra amin’izao taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy mankany amin’izay fandresen’ny fanoherana izay ny fanapahan-kevitry ny vahoaka sy ny vokatra tamin’iny fifidianana kaominaly iny.
Ohatra, tsy hitan’ny va­hoaka raha tsy dinihina tsara: ny fikambanana Fiovana Ivoa­ran’ny eny ifotony (Fivoi) ao amin’ny Faritra Analamanga, Faritra Itasy, Faritar Bongo­lava. Lasa lavitra amin’ny fametrahana ben’ny Tanàna ry zareo, raha mitaha amin’ny Tim. Fanapahan-kevitry ny vahoaka izay.
Sarotra ny hametraka fifandimbiasan-toerana eo no ho eo, araka izany. Nefa ny zava-misy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, efa hita ireo kandidà maro samihafa izay azo sokajiana ho mpanohitra: tsy mitondra ho amin’ny fifandimbiasan-toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra intsony ny fifandimbiasan-toerana amin’izao. Tsy amin’izay intsony ny fifandimbiasan-toerana, raha tsy mandalo ny fifandimbiasan-toerana sy ny fifandimbiasam-pahefana eo anivon’ny fanoherana aloha. Ny fanoherana izany no mila mivoatra, mila miova, mila manome tanjona vaovao azo tsapain-tanana, mila vokatra… Avy eo, mandeha ho azy ny fifandimbiasan-toerana eto Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: