Nahatratra 4300 taonina (t) ny lavanila naondran’i Madagasikara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Mihoatra lavitra noho ny filana maneran-tany izay tombanana manodidina ny 2 500 t izany, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra farany teo. Mbola milanja 931 t ihany koa ny lavanilina aondrana telo volana mialoha ny fiafaran’ny taom-panondranana, ny 30 jona 2025. Mbola maro ireo lavanila voatahiry eny amin’ireo mpividy tamin’ny taom-pamokarana teo aloha ka miteraka korontana eo amin’ny tsena. Noho izany, ilaina ny maha matihanina ny rojom-pihariana mialoha ny taom-pamokarana manaraka. Mila iantohana amin’ireo mpamboly fa ho vidian’ireo mpanondrana ny vokatra rehetra. Tanjona ny hahazoana vokatra tsara kalitao sy hamongorana ireo mpanararaotra mampidina ny vidiny ka mampihena ny fidiram-bolan’ireo mpamboly sy mpamokatra izay manimba ny lalam-pihariana.
Ankoatra izay, milanja 1 000 t ny tahirina lavanila avy eto Madagasikara any ivelany. Mitovy amin’izay koa ny tahiry eto an-toerana. Vinavinaina 300 t kosa ny vokatra efa voamboatra ho an’ny taom-pamokarana 2024-2025.
Henintsoa H.