Anio, alatsinainy 24 marsa, amin’ny 8 ora maraina, no hanomboka ny fizarana fidiovana etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Imahamasina. Ny fanadiovana na fidiovana no dingana iray lehibe anisan’ny mampiavaka ny Malagasy rehefa miatrika vanim-potoana lehibe toy izao. Diovina amin’ny alalan’ny afo, tany rivotra ary rano ny tontolo sy ny olona. Zava-dehibe faharoa, ny tsodrano.
Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy voatery hitovy avokoa izy ireny. Noho izany, ny fifanomezan-kaja sy hasina no nentin’ny Malagasy nandrindra izay fahasamihafana izay. Io no nampirindra ny fiarahamonina malagasy. Tsy misy mifanebaka. Tsy misy mifanaratsy fa mifanaja. Ny fahaiza-mitazona izany hanaraka ny vanim-potoana rehetra no zava-dehibe ho an’ny fiarahamonina malagasy.
Na mitombo isa sy miha tanora aza ny mpanoratra. Tsy mitombo manaraka izany ny fivoahan’ny boky « ara-dalàna ». Anisan’ny antony mahatonga izany ny mbola tsy mampazava tsara ny atao hoe « rohim-boky » manoloana ny mpanoratra. Tsy ampy ny fanazavana momba azy io, hany ka miteraka tahotra ho an’ny mpanoratra sao, sanatria, vao mainka hampitombo ny fahasahiranana amin’ny famoahana ny sanganasany.
Hatramin’izao, tsy mety miverina ao anatin’ny fiarahamonina malagasy ny feon’ny fieritreretana. Lasa tsy mataho-tody, tsy matahotra an’Andriamanitra Andriananahary ny Malagasy sasany. Manao tsinontsinona ny aina. Endrika iray maneho io fa mitsingilaila ny fanabeazana eto Madagasikara. Sarotra ny hamerina izany raha tsy miainga any anivon’ny ankohonana.