Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray nahafatesan’olona tetsy Andranotapahana, halina tamin’ny 7 ora sy sasany. Nifandona ny fiara iray sy ny moto iray nifanenana tamin’izany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto. Nandeha mafy sy nirimorimo be ity farany nefa tsy nandrehatra jiro ka nifandona tamin’ny fiara nifanehitra taminy, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Latsaka any anaty rano kosa ilay fiara nifanena taminy.
Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mampihorohoro ny mponina etsy Alasora sy ny manodidina, ny alin’ny 22 marsa 2025 teo. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao no tratra teo am-panomanana ny asa ratsy ary nifanjevo tamin’ny mpitandro filaminana. Nahitana basy vita gasy iray ihany koa teny aminy rehefa nosavaina. Fantatra fa jiolahy efa nigadra tamin’ny taona 2021 noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona ity olon-dratsy ity.
Renim-pianakaviana iray nampanao horontsary mamoafady ny zanany vavy vao enin-taona monja no nosamborin’ny mpitandro filaminana, ny zoma hariva lasa teo. Efa vaosambotry ny FBI any Etazonia ihany koa ny lehilahy iray izay mandray ny horonan-tsary vokariny. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny sampandraharahan’ny Polisin’ny Cybercriminalité Anosy sy ny Polisy Amerikana avy ao amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) nahafahana nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo. Efa nanomboka tamin’ny taona 2022 no nanaovany izany fihetsika voararan’ny lalàna izany.