VAOVAO TAMBATRA

Hanome sehatra matihanina ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy ny village artisanale atao eny Ivato. Fitaratra hamondronana ireo karazana asa tanana izany no hampirantiana sy hamarotana ny vokatra. Ho hita eny an-toerana ihany koa ireo tolotra amin’ny fanondranana sy birao fanakalozana vola vahiny.

Hapetraka ny faritra afaka haba iraisam-pirenena eo amin’ny fizahantany iarahana amin’ny Emirats Arabo mitambatra. Tanjona ny hametraka an’i Madagasikara ho lohalaharana amin’ny fampiasam-bola aty Afrika sy ny ranomasimbe indianina. Amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fampiasam-bola manintona ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny varotra izany.

Atomboka ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny tetikasam-panjakana Fandroso. Ken­drena manokana ny hanohanana ireo tanora eo amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary ny fanodinam-bokatra. Miisa 92 ireo tanora hisitraka ny tetikasa amin’izao dingana voalohany izao. Mbola hiparitaka amina faritra hafa ihany koa ny tetikasa.

Nifanakalo hevitra amin’ny hametrahana ny fanamby sy ny paikady hanatrarana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fivorian’ireo minisitra eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana. Natao nandritra ny telo andro tao amin’ny Carlton Anosy ny hetsika. Voaresaka avokoa ny zava-misy amin’izao fotoana sy ny fanamby apetraka.

Partager sur: