Nidangana ny vidim-piainana eto Madagasikara, nitotongana ihany koa ny toekarena nandritra ny taona 2024. Miaina anaty fahantrana ny Malagasy valo amin’ny folo, araka ny fanadihadiana navoakan’ny Afrobarometer.
Nivoitra tao anatin’izany fa tsy manam-bola ny 94% ny Malagasy. « Miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny 65% ary tsy ampy fitsaboana ny 62% », hoy ny mpiara-miombon’antoky ny Afrobarometer, Rakotondraibe Léa, nandritra ny fanolorana ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny kabinetra cabinet COEF-Ressources, teny Ambaranjana momba ny lohahevitry ny fahitan’ny Malagasy ny toekarena sy ny fari-piainana.
Ankoatra izay, nilaza ny 62%-n’ireo olom-pirenena fa miharatsy ny toekarena eto Madagasikara, nanohy kosa ireo 61% fa miharatsy ny fari-piainan’izy ireo. Raha ampitahaina ny zava-misy ankehitriny sy ny tamin’ny taon-dasa, namaly ny 63% amin’ireo natao fanadihadiana fa niharatsy ny toekarena raha nanambara kosa ny 57% fa nitotongana ny fari-piainany. Mino kosa ny 31%-n’ny Malagasy fa mbola hihatsara ny toekarena ao anatin’ny 12 volana ho avy. Mifanohitra amin’izay kosa ny hevitr’ireo 46%, izay nilaza fa mbola hiharatsy ny toekarena raha naneho kosa ny 21% fa mbola hisy fiovana eto amin’ny firenena.
Governemanta
Voalaza tao anatin’ny fanadihadian’ny Afrobarometer hatrany fa tsy mankasitra ny ezaka ataon’ny governemanta amin’ny fandrindrana ny vidin’entana ny 92%-n’ireo nohadihadiana. Tsy mankasitraka ny ezaka amin’ny fampihenana ny elanelana eo amin’ny mahantra sy ny manan-karena ihany koa ny 88%. Naneho hevitra kosa ny 75% fa mbola lavitr’ezaka ny famoronan’asa eto Madagasikara. Mitovy amin’izay ihany ireo salan’isa ny olona nilaza fa mila hatsaraina ny fari-piainan’ireo mahantra. Nanakiana ny fitantanana ankapoben’ny toekarena ihany koa ny 72%-n’ireo Malagasy nohadihadiana.
Marihina fa miisa 1 200 ireo Malagasy nanaovana fanadihadiana misandrahaka amina faritra miisa
Henintsoa Hani