Mivoatra hatrany ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Miditra amin’ny andiany fahenina amin’ny « Woman Rock In Digital » ny mpikarakara. Nampahafantarina teny amin’ny école 42 Andraharo, ny sabotsy teo izany. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “vehivavy, ny saina voatry ny olombelona (IA) sy ny hoavin’ny asa: ahoana ny hamadihana ireo fanamby ho soa fanararaotra”. “Tanjona ny hifampizaran’ireo vehivavy traikefa mahakasika ny tontolo niomerika”, hoy ny filohan’ny fikambanana Avana Hub sady mpikarakara ny hetsika, Randrianasolo Isa. Manova ny sehatry ny asa amin’izao fotoana ny IA no manokatra vina vaovao hampiroboroana izany. Manome torolalana sy hampivelatra ny tambazotram-pifandraisan’ny vehivavy ny hetsika Women Rock in Digital noho izy miara-miasa amina orinasa maro. Hanampy amin’ny fisitrahana fampiofanana sy hanokatra varavarana ho an’ny fitadiavan’asa ny hetsika, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Fotoana nifampizaran’ireo vehivavy ny asa ao anatin’ny nomerika, ny sabotsy teo. Nampirisika ireo namany hafa ihany koa hiantsehatra ao anatin’izany.
Tombony
Manamora sy manafaingana ny asa ny fampiasana ny IA. Ilaina kosa ny fahaizana mampiasa azy. Tao anatin’ny enin-taona, nitombo 20% ireo vehivavy miasa eo amin’ny sehatry ny niomerika, izay mbola heverin’ny ankamaroan’ny maro fa asa anjakan’ny lehilahy. Porofo izao fa manana ny anjara toerana eo amin’ny tontolon’ny niomerika ny vehivavy. Manana tombony izy ireo amin’ny fahaizana tia mijery ny antsipirian-javatra samihafa.
Henintsoa H.