Namoy ny ainy teo no ho eo ilay mpitondra moto niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Andranotapahina, fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty, ny harivan’ny alahady 23 marsa teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io ka nisongona moto telo hafa. Nifanoha-dalana taminy anefa ny fiara Kangoo iray. Tsy nahafehy ny familiana intsony izy. Niezaka niala izany kosa ny mpamily ny fiara. Nifatratra tany anaty kirihitra ity farany. Niakarapoka tamin’ny arabe, potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy izay nipitika teny amin’ny sisin’arabe. Vaky ra ny lohan’io lasibatra io. Tsy nahatsiaro tena ary tapitra fotoana vitsy taorian’ny loza ny ainy. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny tobim-paritra Ambohidratrimo. Tsy nahina ny ain’ilay mpamily fiara “Tsy nanao aroloha sady tsy nisy jiro famantarana ilay moto”, araka ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Nampahatsiahy ny mpamily fiara, indrindra ny mpitondra kodiaran-droa ireto farany fa tsy miaraka na oviana na oviana ny familiana sy ny fisotroana zava-mahamamo.
Tsiferana R.