Atrikasam-pirenena MFFT sy ny MPEB: Hohatsaraina ny fitantanana ny ranomasina

Notanterahina teny Andrainarivo, omaly, ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra momba ny ranomasina. Napetraka tamin’izany ny tanjona iraisan’ireo mpisehatra rehetra.

Samy naneho fahavononana handray andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ireo mpisehatra rehetra. Anisan’ izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Teo koa ny mpiara-miombon’antoka, toy ny avy amin’ny WWF. Nambaran’ireo mpizaika fa tanjona ny hirosoana amin’ireo dingana samihafa ahafahana mametraka ny drafitra ho amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina eto Madagasikara “Planification spatiale maritime – PSM”. Natao izao atrikasam-pirenena izao hamantarana bebe kokoa sy hanadihadiana ny fomba hitantanana araka ny tokony ho izy ny ranomasina. Hohamafisina, araka izany, ny fitantanana izany mba hifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika ary ny eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny ranomasina sy ireo harena voajanahary ao aminy ary koa ny fampiroboroboana ny sehatra rehetra an-dranomasina.

Famaritana ny tanim-panjakana
Etsy andaniny, notanterahina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny fampahafantarana ny fanatanterahana ny famaritana ny tanim-panjakana “Délimitation numérique”. Eo koa ny fanampim-panazavana ny fametrahana ny Birao ifoton’ny fananantany mpanelanelana ”Bureaux de subdivision foncière intermediaire- BSFI”. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fananan-tany eto Madaga­sikara izany. Fotoana iray koa niarahana tamin’ireo mpiara-miasa namaritana ny fomba fiasa vaovao. Manampy izany ny fifanakalozan-kevitra momba ireo lohahevitra ireo ho fiaraha-mientan’ny sampandrahara isan-tsokajiny.

Synèse R.

Partager sur: