Nisitraka drones miisa valo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, Entraide protection civile internationale (EPCI) ny vondron’ ny mpamonjy voina. 10 ireo mpiofana hifehezana ny fampiasana ireo fitaovana ireo, nandritra ny dimy andro, ka notolorana mari-piofanana tetsy Tsaralalàna, omaly. «Tena ilaina ny fampiasana ny drone amin’ny famonjena voina satria ahafahana mitsirika ny toerana misy voina, toy ny afo, ny rano », hoy ny commandant Ralaivaonoro Éric, Chef de corps des sapeurs pompiers d’Antananarivo. Manampy amin’ny fahitana ny lalana tokony haleha sy ny olona tokony hovonjena izany. Eo koa ny fampitana ny karazana serasera sy vaovao. « Tombony goavana ny fiarovana ny ain’ny mpamonjy voina, tsy hiharan-doza, mba hahafahana mamonjy olona », hoy izy. Nambarany fa efa nisy ireo mpamonjy voina maty sy naratra nandritra ny asa famonjena nataon’izy ireo. Nisy ireo difotry ny rano sy main’ny afo ary tototry ny tany.
Hiasa avy hatrany ireo fitaovana ireo ary hozaraina any amin’ny toby dimy eto Antananarivo. Ankoatra izay, nilaza ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, fa hatsangana ny tobin’ny mpamonjy voina vaovao eny amin’ny boriborintany fahefatra, mba hanamorana ny famonjena voina eny an-toerana no antony. Nisy koa ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny EPCI.
Mino