Tafakatra hatramin’ny 30 tapitrisa Ar ny vola efa azon’ireo roa lahy mpisoloky tra-tehaky ny zandary. Mpividy entana tamina tambajotran-tserasera ireo lasibatra teto an-dRenivohitra ireo.
Notanana eo anivon’ny zandarimaria, zana-tobim-paritra Ambohibao-Antehiroka rehefa tratra tany Toliara, ny mpisoloky roa lahy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nanaraka fivarotana entana mivantana tamin’ny alalan’ny facebook ireny izy roa lahy. Notsongain’izy roa lahy tsirairay ireo mpanjifa namaly teo amin’ny fafana fa haka ny entana. Namoronan’ izy ireo pejy hosoka izay nitovy anarana tamin’ilay tena izy. Nolazain’izy roa lahy fa mpiasa eo anivon’ilay orinasa mpivarotra entana izy ireo. Noresen’izy ireo lahatra ny mpanjifa anaty tambajotra ka nandefa ny vola amin’ny alalan’ny finday. Am-polony ireo nahazoan’izy roa lahy izany. Nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny pejy lasibatra. Natao ny fikarohana. Fantatra fa tsy mponina eto Antananarivo Renivohitra ireo mpanao ratsy ary voasambotra taorian’ny paikady napetraka.
Ankoatra io, efatra mianadahy nisoloky sady nampiasa ny anaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, saron’ny polisy tao Mahajanga, afakomaly. Nanao kaonty sandoka izy efatra mianadahy ireto. Hangatahany vola ireo mpampiasa facebook. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka tratra tamin’ny alalan’ny vela-pandrika ireo mpisoloky. Atao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Tsiahivina, mampiasa ny fomba rehetra hisolokiana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana ka ilana fahamailoana ho an’ny tsirairay.
Tsiferana R.