Nankatoavina ny drafitrasam-pirenena, izay nasiam-panavaozana, momba ny paikady mifandraika amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana no miara-miasa amin’ny ady amin’ny aretina vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny akora simika ary ny fahalotoan’ny rivotra.
Betsaka ny aretina mitranga vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny OMS fa ny 26% ny aretina eto Madagasikara dia azo avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana avokoa. Anisan’izany ny fahalotoan’ny rivotra izay miteraka aretina misoko mangina satria tsy hita maso. Mitarika aretin’ny homamiadana sy ireo karazan’aretina vaovao mitranga rehetra.
Misy ny rafitra mazava fampiharana ny fifanarahana Libreville izay mamaritra ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Anisan’ireo firenena afrikanina 52 nanao sonia izany i Madagasikara. Mifarimbona ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana hampihena ny aretina azo amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana.
“Efa nanao ny drafitrasa tamin’ny 2014 isika ary efa betsaka ny zavatra miova”, hoy ny Dr Randriasandratana Onjaniaina, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Nohavaozina ireo drafitrasa ary nasiana fanatsarana. Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny minisitera roa tonta sy ny fanatsarana ny paikady efa narafitra. Tanjona lavitr’ezaka ny hametrahana lalàna mba hampisy lanja ny ady amin’ny aretina azo avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Tatiana A