Nosalorana samboady, ny herinandro teo, ireo ben’ny Tanàna miisa 86 any amin’ny faritra Fitovinany. Ahitana ny ao Manakara nanaovana ny lanonana sy ny any Vohipeno ary Ikongo. Nitarika izany ny loholona isany, Rabemananjara Nicolas sy Raymond ary Ndremanjary Jean André. Samy nilaza izy ireo fa tsy misy kaominina hadino izany intsony.
Hafatra nampitain’ny depiote isany, Raby Savatsarah sy Ramananjarasoa Clarisse, ny hanamafisana ny andraikitry ny depiote, ho fampiharana sy fanaraha-maso ny fitaovana politika hiarovana sy hampivoarana ny zon’ny vehivavy. Nivoitra izany tamin’ny fivorian’ny vaomiera faha-69 momba ny satan’ny vehivavy natao tany New York, ny herinandro teo.
Hentitra ny governora Rasoamaromaka Hery sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, fa tsy maintsy vitaina haingana ny fanamboarana ny lalana eny Antsahamanitra. “Tena be mpampiasa ary mba tsy hampanahirana amin’ny fifamoivoizana amin’ny herinandro”, hoy izy ireo, raha nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa.
Nifampizara vahaolana eo amin’ny fitantanana kaominina ny ben’ny Tanànan’Ambatondrazaka, Ratafita Fanantenana, sy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, tetsy Analakely, ny herinandro teo. Voaresaka koa ny fanomezan-tanana amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ho an’Ambatondrazaka. Ny momba ny fitantanana ny mpiasa.