Nitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude any amin’ny faritra Atsimo ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie. Tonga tany Ambovombe, Amboasary ary Taolagnaro ny ekipa iraky ny fanjakana nitondra fanampiana hoenti-miarina ho an’ireo traboina. Vary 12kg mahery isan-tokantrano, voamaina sy menaka no natolotra. Eo koa ny kojakoja ho an’ny fahadiovana sy fidiovana.
498 ireo traboina ao Amboasary Atsimo, 650 ao Ambovombe Androy ary 385 ao amin’ny fokontany Ambinanibe Taolagnaro. Lasibatry ny rivodoza nisesy ny tapany atsimon’ny Nosy tato ho ato ary miteraka faharefoana ho an’ny mponina izany, indrindra eo amin’ny fivelomana.
Tetsy andaniny, nentanina ireo vehivavy hivondrona anaty fikambanana, ahafahana mitondra tohana ho azy ireo amin’ny fanatsarana ny fihariana sy ny velon-tena. Nentanina hanomana tetikasam-pihariana ihany koa ahafahana mitondra tantsoroka hanamorana ny fanatanterahana izany.
Tatiana A