“Tokony hanamarina ny vaovao ho zarainy sy ny antom-pisiany ary mamantatra ny loharano nipoiran’ny vaovao ny mpampiasa tambajotran-tserasera alohan’ny hanapariahany izany”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina (MSK), Fetra Rakotondrasoa, nandritra ny adihevitra tamina fandaharana tanaty fahitalavitra tsy miankina iray, afakomaly. Mivaona amin’ny tokony ho izy ary efa tsy manaja ny fenitra amin’ny fampiasan’ny besinimaro azy intsony amin’izao fotoana ny fikirakirana tambajotran-tserasera ka anisan’izany, ny facebook. Manimba olona, indrindra ny fiarahamonina ny fampiasana izany tsy am-piheverana, raha ny nambarany. Nohamafisiny fa lasa fitaovana hanelezana vaovao tsy marina sy tsaho ary fanalam-baraka olona ny tambajotran-tserasera vokatr’io tsy fampiasana azy am-pahamendrehana io. Manana lalàna mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery 2020-006, septambra 2020, izay mirakitra ny momba ny tambajotran-tserasera. Etsy ankilany, natsidik’ity sekretera jeneraly ity fa manana rafitra miady amin’ny heloka ana habaka ny eo anivon’ny minisitera. Handraisana ny fitarainan’ireo lasibatry ny fanalam-baraka sy ireo iharan’ny fanohintohinana fiainana olona manokana io rafitra io.
Tsiferana R.